Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintika.
Mandainga sy mamitaka izahay raha anontanianareo hoe : inona ny vaovao ? ka hamaly izany hoe :tsy misy!
Misy tokoa ny vaovao, raha ny eto amin’ny Faritra I no horesahina.
Araka izany dia, tsy ho mena-mitaha raha samy Komitim-pivondrona ry zareo ao amin’ny Fivondronan’Amboasarikely (FJKM), satria dia nahavita sy nahatontosa soa aman-tsara ny Fiofanany ry zareo Mpikambana Mpitantana ao aminy.

Etoana dia, araraotinay ny fiarahabana an-dry zareo, ho heniky ny soa sy ny tsara anie ry zareo, raha hitady hahita, hamboly hahavokatra, handeha tsy ho lavo, ary haharitra ao amin’ny Tompo mandrakariva anie izy rehetra.
Enga anie ka tsy ho hisy ny sampona, fa dia hotokanana ny alahady faha-25 mey 2008 ho avy izao ny Fivondronan’izy ireo ; koa manentana sy manasa antsika rehetra sahady izahay hanatrika izany.
Eto am-pamaranana dia manetana antsika Komitim-pivondronana izay mbola tsy nahavita ny fiofanana, na koa ireo izay mila izany, mba hanantona na hampandre ny filoham-paritra, mba ahazoana manatanteraka izany.
Veloma Finaritra.
O2bib (Filoha Andry).